ONG AFFAMI: Miantoka ny fiavian’ny orana ny fambolen-kazo.

 

 

Voka-dratsin’ny  fanimbana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanapotehana ny ala ny fiovaovan’ny toetra andro. Ny fambolena hazo no vahaolana  akaiky hikojakojana  sy hiarovana izay sisa tavela ary hiatrehana izany. Noho fahatsapana fa miantoka ny fiavian’ny orana ny ala, nanatanteraka ny adidiny ny fikambanana AFFAMI na Andry  Fanabeazana sy Fanarenana Mirindra.

Zana-kazo  1000 no novolena teny Ankatsaoka izay toerana efa fambolen’ny fikambanana hazo hatramin’izay. Kesika avokoa ireo karazan-kazo  nambolena. “Izao no natao dia entina  hiarovana ny tontolo iainana”, hoy ny Solombavambahoaka sady Filohan’ny AFFAMI,  Vololona RAHERISOA.

Ankoatran’ny mpikambana, nandray anjara tamin’ny hetsika ihany koa ny solontenan’ny fokontany 31 ao Ambohimanarina, ny sabotsy faha-11 ny volana febroary 2017.

Tetikasa fampandrosoana. Nambaran’ny Solombavambahoaka  fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fampiasana ny FLD (Fond local de Développement ) miaraka amin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra. Misitraka izany tanteraka ny boriborintany fahaenina amin’izao fotoana izao.