OMDA: Mitaky ny tambiny amin’ny fampiasana ny sangan’asany ireo artista.

Tokony hanefa ny tambiny amin’ny fampiasana ny  sangan’asan’ireo artista  ireo mpampiasa izany raha hajaina  ny zon’ny mpamorona. Voakasiky izany avokoa ny haino aman-jery, mpikarakara fampisehoana, trano fisakafoana sy fandraisam-bahiny, taxi-brousse, cyber café… “Maro no efa nanefa ara-dalana izany ary betsaka ihany koa anefa no mbola tsy manaja izany”, hoy i Princio.

Miantoka ny fiarovana ny zon’ny mpamorona ny OMDA. Nandalo sedra ity sampana ity satria noesorin’ny Ministry ny kolotsaina sy ny vakoka ary ny asan-tanana teo aloha, Brigitte RASAMOELINA ny taleny. Ankehitriny, nandresy tamin’ny fitakiana ny hamerenana azy ny sendikan’ny artista. Ny talata faha-22 novambra teo no vita ny famindram-pahefana teo amin’ny tale nitantana vonjimaika sy  i Haja RANJARIVO. “Ny famerenana ny tanjaky  ny OMDA no asa vonjimaika ho sahanina”, hoy ity farany.