OMACI: Mizotra mankany amin’ny fampiharana ny politika nasionaly.

Miroso amin’ny fampiharana ny politika nasionaly ny ofisy Malagasy momba ny sarimihetsika (OMACI). Hiara-hisalahy amin’ny fitadiavana ny fomba hanatsarana ny lafiny fanoratana tantara, fampiroboroboana ny « jeux video », ny sary ary  ny famokarana  horonantsary miaraka amin’ny OMACI ireo komity vaovao lany nandritra ny fivoriana  fanaon’ny  ofisy isaky ny  roa volana.

Sosialy sy ekonomika.

Ny 12 oktobra 2017, teny amin’ny Tranom-bokim-pirenena Anosy no nanaovana ny fivoriana. “Laharam-pamehana amin’ny OMACI ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ekonomika amin’ny alalan’ny sehatry ny sarimihetsika. Voafaritra ao anatin’ny lalana  laharana 2017-011, nankatoavin’ny Filoham-pirenena momba ny politika nasionalin’ny sarimihetsika Malagasy rahateo izany”, hoy ny Tale Jeneralin’ny OMACI, Bon-Temps RAMITANDRINARIVO.