OMACI: Hitondra ainga vao ho an’ny sarimihetsika Malagasy ny fiarahamiasa amin’ny Sinus media.

Laharam-pamehana ho an’ny ofisy misahana ny sarimihetsika Malagasy (OMACI) ny fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana horonan-tsary. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny trano mpamokatra sy ireo mpilalao. Mifanaraka amin’izany vina izany ny tanjon’ny trano mpamokatra avy any ivelany Sinus ka teraka ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta.

Hanorina sampana iray eto Madagasikara ity orinasa avy any Hongrie ity. “Ankoatra ny fitadiavam-bola, hivoy ny kolontsaina Malagasy ihany koa ny orinasa”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Sinus Media, Georges Dora. Nanampy izany teniny izany koa ny Tale Jeneralin’ny OMACI fa ao anatin’ny fifanarahan’izy ireo ny fanofanana  ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy.

Narahina fifanaovan-tsonia izany ny zoma 29 septambra 2017.