OLONA TRATRY NY CORONAVIRUS ENY AMPITATAFIKA: Mbola tsy fantatra mazava na avy eny Faliarivo Ampitatafika na Faliarivo Loharanombato

Naka fanampim-baovao teny amin’ny CSBII ny teo anivon’ny kaominina taorian’ny fanambaran’ny Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondra tenin’ny “centre de commandement opérationnel COVID 19”, omaly 06 aprily 2020 fa misy mitondra ny tsimokaretina Coronavirus eny Ampitatafika. Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàn’Ampitatafika, Ramparaoelina Rado fa avy ao Faliarivo io tranga tamin’ny alalan’ny fifampikasohana io (cas contact). Mbola tsy ampy anefa ny fanazavana hoy izy satria misy ny Faliarivo Ampitatafika sy Faliarivo Loharanombato (kaominina Ambavahaditokana). Manoloana izany, miandry ny vaovao fanamafisana ny ben’ny tanàna. “Raha sanatria eto aminay dia ny fitandremana efa atao arak’izay toromarika napetraka. Ny resaka confinement dia miezaka ny kaominina manajary an’ilay izy”, hoy hatrany Ramparoelina Rado. Raha ny tatitra voarain’ny ben’ny tanàna dia rangahy niaraka tamin’ny maorisiana io “cas contact” io ary efa nanao test ramatoa vadiny fa tsy mitondra ny tsimokaretina.

Saranga

Mbola hita taratra, tahaka ny kaominina manodidina fa marobe ny olona eny Ampitatafika no tsy manaja ny toromarika momba ny fihibohana: betsaka ireo olona mivezivezy eny amin’ny arabe, eny an-tsena hany ka tsy voahaja intsony ny elanelana iray metatra…“Hatraiza ny faharesen-dahatra ny vahoaka amin’ilay aretina? Fanentanana tsy misy tahaka ireny haino aman-jery mitambatra ireny, ny kaominina miezaka manentana, manao sono mobile indraindray eny an-tsena fa ny tanàna sy ny olona mihitsy no sarotra be”, hoy ny ben’ny tanàna. Nilaza izy fa “misy ny olona resy lahatra fa mampidi-doza ilay aretina fa ao ihany koa no tsy resy lahatra. Tonga hatrany amin’ny resaka saranga aza no eritreretin’ny olona an’ilay aretina fa miezaka manentana arak’izay tratra”. Raha mahita fiarahamiasa kaominina fa efa misy olona milaza fa afaka manao “désinfectisation” 1500 Ariary isaky ny tokantrano dia hitady an’izay vola izay kaominina dia mety ho tanterahina izany amin’ny faraparan’ny herinandro.

Lynda A.