NY TOETRY NY ANDRO: Mety hisy ny fiforonan’ny rivodoza amin’ny faran’ny herinandro

Vinan’ny toetry ny andro ny 14 hatramin’ny 19 Janoary 2020. Ny tsioka avy avaratra na avaratra andrefana no hamaritra ny andro eto Madagasikara ary arahina fandalovana andian-drahona izany amin’ny faritra Atsimo amin’ny fiafaran’ny herinandro. Hahazo vahana araka izany ny oram-baratra arahina tafiotra ny tolakandro, ny hariva ary ny alina manerana ny Nosy ary amin’ny vao maraina ho an’ireo morontsiraka andrefana. Hatevina kokoa izany any amin’ny tapany Atsimo amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy aloha ny tranga mahery vaika ahiana hiseho. Saingy, ireo oram- baratra no mety arahina tafio-drivotra amin’ny ankapobeny. Etsy andanin’izany, mety hisy ny fiforonan’ny rivodoza ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika amin’ny faran’ny herinandro ary arahi-maso akaiky ny fivoaran’izany amin’ny tapan’ny faharoa an’ity herinandro ity. Hahitana fidinana ny maripana ambony sy ambany amin’ny faritra Atsimo ; manodidina ny [16 – 25°C] ny maripana ambany ary eo anelanelan’ny [25 – 35°C] ny ambony.

Météo Madagasikara