NY RADO GROUP : Azo atao tsara ny mampihena ny saran’ny fanamboaran-dalana.

 

Mizara telo mazava tsara ny fifanaraham-piarahamiasan’ny vondron’ny  mpandraharaha avy any Dubai sy ny kaominina Mahajanga ary  ny faritra Boeny. Ny fanajariana sy fanatsarana  ny tanana, ny fanamboaran-dalana amin’ny alalan’ny  teknolojia vaovao ary natao amin’ny vidiny mora, ny fampiasana angovo azo havaozina no nifanarahan’ny roa tonta tamin’izany. Nidina ifotony nametrapetraka ny fanombohana ireo tetikasa voalaza ireo ny  mpandraharaha Ny Rado RAFALIMANANA niaraka tamin’ireo teknisiana mifandraika amin’ny tetikasa isan-tsokajiny no sady mpandraharaha .

Ny fanamboaran-dalana no asa voalohany ho tanterahina ka ny orinasa amerikana TERRA TECH no iandraikitra izany. Manana mampiavaka azy ity  orinasa ity satria tsy mila manafatra  akora be dia be   fa ny eo an-toerana ihany no ampiasaina. Etsy ankilany, fotoana fohy ihany no hanatanterahina ny asa. “Raha ho an’ny orinasa hafa dia eo amin’ny 45 andro eo vao vita ny lalana mirefy 1km. Ho an’ny TERRA TECH kosa, dimy andro ny faharetany”, hoy Kevin Hurst, Teknisiana. Nambarany  fa tena  mafy   io lalana io rehefa vita na dia tsy  mampiasa “goudron”aza. Ny  fampiasana ny akora “polymer”  ihany dia efa mahamafy sy mampateza  ny lalana. Nohamafisiny ihany koa fa  “mora vidy tanteraka ny saran’ny fanamboaran-dalana raha miohatra amin’ny hafa. Raha 1 tapitrisa dollars ny 1 km, ny 20% amin’io kosa  no vidiny ho an’ny orinasa TERRA TECH”.

Hisy ny andrana ka lalana mirefy 500 m eo no  anaovana izany. Marihina fa tsy misy vola aloan’ny kaominina mihitsy amin’io andrana io. Amin’ny fiandohan’ny volana jona no hanombohana ny asa.

Handray an-tanana ny fanajariana ny tanan’i Mahajanga ihany koa ireto mpandraharaha avy Dubai ireto. “Ny master plan no fomba hanatanterahina izany tahaka nanaovana ny eny Bevalala”, Hoy Ny Rado RAFALIMANANA.  Anisan’ny atao tanana modely  izany ny faritra Mahajanga.

“Sakana tsy idiran’ny mpandraraha ara-toekarena eto Mahajanga ny findanganan’ny  vidin-jiro”, hoy ny lehiben’ny faritra Boeny, Said Ahamad Jaffar . Efa nisy ny tetikasa narafitra ary natolotra  ny  fitondrana teo aloha. Nohavaozina mihitsy izany  satria mbola tsy nivaly. Nambaran’i Ny Rado  fa  efa tafiditra ao anatin’ny tetikasa izay ho aroson’izy ireo amin’ny JIRAMA io tetikasa io.