Naivo RAHOLDINA: Miaramila sy zandary ara-panjakana ireo mpiambina ahy fa tsy milisy.

“Lainga ny filazan’ny  gazety iray fa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny tenako”, hoy ny Solombavambahoaka Naivo RAHOLDINA. Niteny ireo olona 4 tao anaty fiara Mazda izay nibahana ilay olona tao amin’ny Sprinter. Teny ratsy sy ompa anefa no navalin’izy ireo ka voatery nivoaka niteny azy ireo indray ny mpiambina ahy.Tahaka izay anefa no navalin’ireo olona izay efa mamo.” Lasa naka mpitandro filaminana izahay nanala ilay fiara”. Tsy nisy izany ny fitsaram-bahoaka, navotsotra aza ireo olona ireo fa tsy nosamborina akory.

Raha nivoaka anefa iny vaovao iny, nitory tany amin’ny  Brigade Criminel izahay satria voararan’ny lalana ny fitsaram-bahoaka, ary  hosamborina ireo olona efatra ireo ary alainay vavolombelona ny gazety namoaka io vaovao iny.

Nomarihany fa miaramila sy zandary ara-panjakana ireo mpiambina ahy fa tsy milisy izany.