MPITRANDRAKA VATO VOASOLOKY : Tsy nahazo rariny teny amin’ny fitsarana.

Mivoatra malaky ny raharaha fisolokiana an’ireo olontsotra mpitrandraka harena ankibon’ny tany avy any Andilamena. Voatery nanatona ny cabinet Razafinjatovo Willy izy ireo ho mpiaro.

Niatrika fitsarana tamin’ny alarobia 22 aprily teo ireo mpitrandraka vato voasolokin’ireo vahiny (Srilankey) sy ramatoa teratany Malagasy iray. Marihana fa, masom-piso na safira izay milanja 30,6g no hitan’ireo mpitrandraka vato tany Andilamena. Namidy tamin’ilay karana ity vato ity ka io ramatoa io no nanelanelana azy tamin’ ireo tompony. Niakatra teto an-drenivohitra mihitsy ireto farany nanao fifanarahana . Marihina fa 1 miliara mahery no nanombanan’ireo tompony , 200.000.000 fmg anefa no handraisan’ilay vahiny azy. Tsy nanaiky ireo tompony. Araka ny fanaon’ireo mpitrandraka, apetraka any amin’ilay mpividy ny entana mandra-pisy ny marimaritra iraisana. Ny ampitso ny fotoana anefa tsy hita izay nalehan’ilay karana sy ramatoa. Nanomboka teo dia nametraka fitoriana ireo tompony. Niara-niasa tamin’ny « cabinet Willy RAZAFINJATOVO » fantatra amin’ny anarana hoy Me Olala ireto farany manoloana ny fahadisoam-panantenana teny amin’ny fitsarana. « Nametraka fitoriana eny amin’ny doyen des juges avec constitution de partie civile izahay » hoy i Me Olala. Tantara mitohy izany izy ity.

Lynda A.