Lasa ho ambon’ny Ben’ny Tanana ny mpitantana volan’ny kaominina. Niova ny fomba fitantanam-bolan’ny kaominina na ambanivohitra na an-drenivohitra. Ny ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola indray no manendry ny mpitantana ny vola ( principal comptable) kanefa ny kaominina ihany no mandoa ny karamany. “Mirona any amin’ny tsy fampahatokisana izao fanavaozana izao na dia fanatsarana aza no tanjon’ny fanjakana foibe”, hoy ny Ben’ny Tanana an’ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, Rado Ramparaoelina. Nilaza ihany koa ny tenany fa tsy hahavita ny fandaharan’asa nampanantenainy tamin’ny vahoaka ny Ben’ny Tanana satria ho lany andro amin’ny fanarahana dingana maro be amin’ny famoaham-bola. Miandry ny fanapahan-kevitry ny “principal comptable” ny famoahana vola.
MPITANTANANA NY VOLAN’NY KAOMININA: Olona tendren’ny ministeran’ny vola
- Categories: ACTUALITE, Economie
- Tags: AmpitatafikaRado Ramparaoelina
Related Content
Employabilité des jeunes : Le numérique ouvre de nouvelles pistes face au chômage
by
Lynda ANDRIATSITONTA
24 août 2026
Violences basées sur le genre à Madagascar : MANONGA renforce la prise en charge des victimes dans quatre régions
by
Lynda ANDRIATSITONTA
30 juillet 2026
Série FAMATO sur StarTimes : une immersion au cœur de la culture et des traditions malgaches
by
Lynda ANDRIATSITONTA
30 juillet 2026
Histoire de l’art malgache : trois projets de recherche primés par la Bourse Yavarhoussen–INHA 2026
by
Lynda ANDRIATSITONTA
23 juillet 2026
Réforme administrative : une nouvelle Facilité d'Assistance Technique pour la Refondation lancée à Madagascar
by
Lynda ANDRIATSITONTA
23 juillet 2026