MPIRAKIDRAHARAHA: Hitokona indray?

Efa ho roa volana izay ny sendikan’ny Mpirakidraharaha no nitaky ny fampiakarana ny toeran’ny mpikambana ho ambonimbony kokoa. Tsy mbola nisy valiny izany hatramin’izao. “Nasaina nangina izahay kanefa toa tsy nanome valin-teny mahafa-po ny Ministera voakasika”.Manoloana izany, hanapa-kevitra hiverina amin’ny fitokonana ny  sendika aorian’ny fivoriambe  tsy ara-potoana izay tanterahina amin’ny 09 septambra 2016.

Tsy hijanona ny tolona raha tsy voavaly amin’ny antsakany sy andavany ny fitakiana ataon’izy ireo.