MPIASAM-PANJAKANA : Mampigadra ny fanaovana fampielezan-kevitra

Tsy azon’ny mpiasam-panjakana ambony atao ny manao fampielezan-kevitra  na mijoro eo akaikin’ny kandida manao izany aza. « Tsy mitanila ny mpiasam-panjakana amin’ny maha mpiasam-panjakana azy, toy ny lehiben’ny faritra, ben’ny tanana… », hoy ny minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa. Tsy vitan’ny fandoavana onitra roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa Ariary fotsiny ihany ny sazy mahazo azy ireo fa iharan’ny sazy  fampidirana am-ponja roa ka hatramin’ny dimy taona  mihitsy araka ny lalana momban’ny fifidianana 2018-008 manomboka amin’ny andininy faha-118 ka hatramin’ny faha-136. Hitarika any amin’ny fanafoanana vatom-pifidianana mihitsy izany.

Fampielezan-kevitra

Tsara ho fantatr’ireo kandida fa mila mampahafantatra ny prefektiora 48 ora mialoha ny hetsika rehetra izay ataony amin’ny toerana iray izy ireo. Ny tomponandraikim-panjakana any an-toerana kosa no mahafantatra na azo atao izany na tsia. Raha hatahorana hiteraka korontana ny hanaovan’ny kandida iray ny fampielezan-keviny dia azon’ny tomponandraikitra atao ny tsy manome alalana hanaovana izany, hoy hatrany ny Minisitra. Ny ratsa-mangaikan’ny CENI any amin’ny faritra (CED) kosa no mandrindra ny toerana sy fotoana hanaovan’ireo kandida ny fampielezan-kevitr’izy ireo.

Nirina R.