MPANOLONTSAINAN’NY PRAIMINISITRA: “Manaja fanapahan-kevitry ny HCC izahay”

Teboka efatra no navoitran’ny mpanolontsainan’ny Praiminisitra nandritra ny valan-dresaka nataon’izy ireo niaraka tamin’ny mpanao gazety omaly 08 mey 2018. Nambaran’ireo mpanolontsainan’ny lehiben’ny governemanta, Olivier Mahafaly  Solonandrasana fa firenena mandala ny fenitra demokratika i Madagasikara. Noho izany, samy manana ny anjara andraikiny mifanandrify azy avy ny rafitra rehetra  eto amintsika. Tsy maintsy hajaina ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC). “Manaja ny fanapahan-kevitra navoakan’ny HCC momba ny lalàm-pifidianana izahay”, hoy ny mpanolontsainan’ny Praiminisitra.

Fifampidinihana

Manamafy ny fifampiresahana eo amin’ny ankolafin-kery rehetra ry zareo.  Taorian’ny tranga tamin’ny 21 aprily 2018, niantso fitoniana sy fifampidinihana ny Praiminisitra. “Ambaranay etoana fa zava-dehibe ny fifampidinihana mba hirosoana any amin’ny fifidianana madio sy mangarahara”. Tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana ihany koa ireto mpanolontsainan’ny lehiben’ny governemanta ireto.  “ Ny fifandimbiasam-pahefana ihany no mitarika any amin’ny fitoniana ”.