MINISTRA IMBIKI HERILAZA: Olona 4 no efa natao fanadihadiana momba ny fahamaizana tao Andekaleka

Heverina ho “incendie criminel” ny fipoahan’ny vata mpanova herinaratra tao Andekaleka. Araka ny toromariky ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra dia misokatra ny fanadihadiana momba ny fahamaizana tao amin’ny toby famokarana herinaratry ny Jirama ao Andekaleka ny 2 janoary 2022 lasa teo. Ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina no miandraikitra izany, miaraka amin’ny zandarimariam-pirenena, araka ny fanazavan’ny ministry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, ny 6 janoary 2022 tetsy Faravohitra. Nambarany fa manana andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana ny ministeran’ny fitsarana. “Miteraka korontana ny fikorontanan’ny famatisana herinaratra, ny famatsiana rano”, hoy izy.

Olona 4 no efa natao fanadihadiana. Anisan’izany ny mpiambina niasa talohan’io tranga io sy ny mpiambina taorian’ny tranga. Nilaza ny ministry ny fitsarana fa tsy mbola nisy olona nohahiahiana fa  fihainoana no natao tamin’ireo olona 4 ireo. Nambarany fa efa nandefa tomponandraikitra manokana, polisy teknika sy siantifika  hijery  miaraka amin’ny tomponandraikitry ny Jirama ary ny ministeran’ny angovo ny tena zavatra nitranga. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Jirama momba ity fahamaizana ity anefa dia mety noho  fampiakarana ny herijikan’ny herinaratra avy any Andekaleka mipaka amin’ny afovoan-tany  no nahatonga izany satria  tsy zakany intsony  izany fampiakarana ny herijika izany noho ny fahanteran’io fitaovana io.

Lynda A.