MINISTERAN’NY PAOSITRA: Nitsahatra ihany ny grevy

Niravina ny disadisa eo anivon’ny ministeran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra (MPTDN). Nisy  ny fifanekena nataon’ny ministry Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra, Maharante Jean de Dieu sy ny sendika. Nomarihina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia izany. Ny fanelanelana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny 16 jolay 2018 no nahafahana nandravina ny disadisa teo amin’ny sendika sy ny ministra.

Novalian’ny ministera avokoa ny fangatahan’ireo mpiasa nitokona. Ireo azo novaliana teo no ho eo dia novaliana. Raha tsiahivina, tsy nanaiky ny hitanan’i Maharante Jean de Dieu ny MPTDN ny sendika. Nilaza anefa ny ministra am-perin’asa fa tsy misy ny lonilony na dia teo aza izany. Mipetraka amin’ny seza am-pilaminana amin’izay ny ministry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra.

Lynda A.