MINISTERAN’NY FITSARANA: Hiezaka hampody ireo volamena 49 kilao sy ireo Malagasy voarohirohy

Mifandray mivantana amin’ny ministeran’ ny fitsarana any Comores ny ministeran’ny fitsarana malagasy momba ny raharaha volamena 49 kilao. Nambaran’ny ministry ny fitsarana, Imbiki Herilaza, nandritra fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 6 janoary 2022 teny Faravohitra fa miaro ny harem-pirenena ny fitondram-panjakana malagasy. “Tsy hanaiky mihitsy ary hiezaka hamerina eto an-tanindrazana ny olona  heverina nanao tsy mety na ny hamerina ny harem-pirenena ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Efa tonga eny am-pelantanan’ny manam-pahefana ara-pitsarana sy ny raharaham-bahiny ny ampitso (29 desambra 2021) nahatrarana ireo volamena ny “demande d’extradition” na fampodiana ireo teratany malagasy 2 ho tsaraina eto Madagasikara. Noho ny fifanarahana ara-pitsarana misy eo amin’ny firenena malagasy sy kaomorianina dia “ho tsotra kokoa ny dingana fangatahana olona iray mety ho enjehina ara-keloka dia tsy voatery manaraka ny procédure ara-diplomatika mahazatra amina firenena tsy hananana fifanarahana”, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana. Tamin’ny 12 novambra 1976 no nosoniavina ity fifanarahana teo amin’ny firenena roa tonta ity.

Efa nanokatra fanadihadiana  momba ity raharaha ity ihany koa ny PAC (Pôle Anti-Corruption)  sy ny  Bianco. Nilaza ny ministry ny fitsarana fa “tsy maintsy fantarina hoe avy aiza no nialan’ny volamena tratra tany Comores, iza avy no tomponandraikitra amin’izany na tomponandraiki-panjakana raha nisy? “Tsy miteny aho hoe nisy izany fa fanadihadiana ataon’ny Bianco sy PAC no ahafantarana an’izany”, hoy izy. Ankoatra ireo Malagasy dia kaomorianina 3 no nampidirina am-ponja vonjimaika ny 5 janoary 2022.

Lynda A.