MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA: “Efa fantatra ny nataon’ny mpiasa teo aloha”

Raha nandeha nitety ministera indray ny mpitolona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey androany 19 jona 2018, nanao fanambarana kosa ny talen jeneralin’ny ministeran’ny fiompiana sy ny fambolena (MINAE), Dr Raymond omaly 18 jona 2018.“Izao toe-javatra mitranga eto amin’ny firenena izao dia hita fa efa am-perinasa tanteraka ny governemanta vaovao ka manana adidy sy andraikitra izahay mpiasa eto amin’ny MINAE, hanatantertaka ireo laminasa izay efa napetraky ny Minisitra Harison Randriarimanana”.

Hanohana ity minisitera ity  ireo mpiasa mba hahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. “Manambara izahay fa tsy mankasitraka ny asa fanakorontanana ny fampandehanandraharaha eto anivon’ny ministera izay ataon’ireo mpiasa izay efa fantatra ny nataony teo aloha . Toherinay marindrano izany toe-javatra izany”. Noho izany misokatra ary miasa ny MINAE eny Anosy sy Ampandrianomby ary Nanisana ka hatrany amin’ny faritra 22 sy ireo ratsa-mangaikan’ ny minisitera manerana ny Nosy.