MICROSOFT : Tanora 48 nahazo fiofanana maimaim-poana

Tanora 48 avy amin’ny fikambanana  sy « ONG » 26 no nahazo fiofanana  maimaim-poana nandritra ny telo andro tetsy amin’ny Carlton. Ny orinasa   Microsoft no nanome izany . Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa Build Your Business (BYB) ny orinasa ity fiofanana ity . Nizara ny traikefa sy nanoro lalana an’ireo tanora ny mpampiofan’ny Microsoft toa an- Rtoa Carole RAKOTONDRAINIBE, sy tera-tany Maorisiana roa, Rtoa Caroline Koa Wing sy Atoa Bruneau WOOMED. Fanentanana sy fanampiana ny tanora amin’ny fananganana  orinasa ary mba hahafahan’izy ireo mizara ny tombontsoa azony amin’ny hafa ihany koa  no tanjona tamin’ity fampiofanana ity. Taorian’ny fiofanana, nozaraina mari-pahaizana  ireo  tanora .

Lynda A.