MIARAMANONDROALA 2022: Tao-sarintany miisa 48 mampiseho ny fivoaran’ny fitantanana ny ala eto Madagasikara nifaninana tamin’ny “MapChallenge”

Tao-sarintany momba ny fahapotehan’ny ala, ny tebok’afo, ny fivoaran’ny fitantanana ny ala amin’ireo  faritra arovana no novokarin’iroe mpandray anjara tamin’ny “MapChallenge” nokarakarain’ny fikambanana Manondroala. Tao-sarintany 48 no voaray ary 26 ny mpandray anjara. Nozaraina nandritra ny hetsika “MiaraManondroAla 2022” ny lokan’ireo mpifaninana. Ny sarintany maro mpankafy indrindra tao amin’ny tambazotra sosialy “facebook” no nahazo ny mari-pankasitrahana (GPSMAP 64X). Samy nitondra mody avokoa anefa ireo mpandray anjara rehetra.  Ny 07 sy ny 08 oktobra 2022 teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza no nanatanterahina ny hetsika MiaraManondroAla 2022. “Ho fampivondronana ireo mpisehatra amin’ny famokarana tao-sarintany  ity hetsika ity. Ny andro voalohany dia nizara ny paikady nentin’ny Manondroala tamin’ny fanaovana tao-sarintany izahay. Nifampizara ny traikefany ihany koa ireo mpisehatra amin’ny famokarana tao-sarintany ny andro faharoa”, hoy i Angela Tarimy, tomponandraikitry ny tetikasa Manondroala. Nampirantiana tamin’io fotoana io ireo tao-sarintany novokarin’ny Manondroala sy ireo sangan’asan’ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninanana “MapChallenge”. Ankoatra ny famokarana ny tao-sarintany momba ny fitantanana ny ala dia manome fiofanana maimaim-poana momba famokarana tao-sarintany. Miara-miasa amin’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) ihany koa ry zareo. “Zava-dehibe ny famokarana sarintany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Mora hanarahamaso ny resaka fitantanana ny ala ny sarintany. Mamokatra tao-sarintany ny Manondroala, mizara ny fanaovana izany. Rehefa mivoaka ny tao-sarintany dia mbola mampiofana ny olona mampiasa izany”, hoy Razafipahatelo Daulphin, mpikirakira tao-sarintany ao amin’ny Manondroala. Nambarany fa manasongadina ny teny malagasy no mampiavaka ny tao-sarintany vokarin’ny Manondroala mba ho mora ampiasain’ny eny ifotony ary hanamora ny fitantanana ny ala. Ny taona 2012 no nanomboka niasa  teo amin’ny  fiarovana ny ala teto Madagasikara ny Manondroala.

Lynda A.