MFM: Ilaina ny fananganana governemanta vaovao hanatanteraka fanovàna

Governemanta manana fahefana feno. Nitarika faharatsiana teo amin’ny fari-piainan’ny Malagasy, ny fiverimberenan’ny krizy, ny fifandirana politika indrindra ny lafiny’ny fifidianana, ny sakana ara-toetsaina, aram-pomba fiasa nisy teto amin’ny firenena, araka ny fehin-kevitra nivoaka nandritra filan-kevitry ny foibe MFM ( Mpitolona ho an’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara). Azo resahana an-databatra boribory ny famahana izany. “Ny MFM dia mihevitra fa ny fananganana governemanta manana fahefana feno fa tsy fiaraha-mitantana hanatanteraka andraikitra mazava tsara dia ny fanovàna sy fiovàna takian’ny firenena”. Nilaza Rakotovazaha Olivier, Filoha nasionalin’ny antoko fa “Praiministra manana fahefana feno, manana zo hanangana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta no takiana, toy nataon’i Guy Willy Razanamasy sy ny nitranga tamin’ny 2018. Ny filaminan’ny tany no tadiavina ka izay no ilaina ny fihainoana ny ankolafin-kery rehetra”.

Miantso ny Prezidàn’ny Repoblika Rajoelina Andry ity antoko ity mba hiroso amin’ny fanatanterahina io fehin-kevitra io. Ankoatra izany, “tsy mitompo teny fatratra anefa ny MFM fa ny tantara dia manamarina  fa ny fahatarana eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hirosoana amin’ireo tolo-kevitra aroson’ny antoko MFM  na tsy fanatanterahana azy dia hitondra korontana tanteraka eto amin’ny firenena”. Nanambara ihany koa Rakotovazaha Olivier fa “tsy hitsahatra  ny fihetsiketsehana satria be dia be ny raha tsy manjary”. Nampatsiahy ity antoko ity tao anatin’ny fehin-kevitra fa “nisafidy ny demokrasia sy ny fanajàna ny fanjakana Repoblikanina isika koa heverin’ny MFM fa tsy mety ny fampihorohoroana sy fampiasan-kery  ary fanagadrana olona maneho ny hevitra ataon’ny Mpitondra fanjakana izay manao fitaovana ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana”.

Nirina R.