MAITRE RAKOTONIRINA HERILALAINA ALAIN : Filoha vaovaon’ny holafitry ny vaditany sy ny mpanao lavanty

Voafidy ho filohan’ny holafitry ny vaditany sy ny mpanao lavanty na « Ordres Huissier de Justice et commissaires-Priseur de Madagascar » tamin’ny isam-bato 82 na 64,06 isan-jato ny Maître Rakotonirina Herilalaina Alain. Nanome toky  ity filoha vaovao ity fa hijanona ho ray aman-dren’ny Vaditany rehetra manerana an’i Madagasikara ary hihaino ny hetahetan’izy ireo. Natao tany Antsirabe ny 27 Aogositra 2021 ity fifidianana izay ho filoha sy ny birao mandrafitra ny holafotry ny vaditany sy ny mpanao lavaty ity. Telo taona no hitondrany ity holafitra ity ka voalohan-daharana amin’izany ny  fanohanana ny hetsika firahalahiana tamin’ny herisetra nahazo vaditany sy ny mpanao lavandy vehivavy niharan’ny herisetra teto Antananarivo sy ny tany amin’ny faritra. « Hiezaka aho ny hanatona ny ministera mpiahy mba ho atao aingana ny fitsarana ny raharaha momba io vehivavy vaditany niharan’ny herisetra io. Mbola mijanona ao amin’ny Procureur ny raharaha hatramin’izao ». Laharam-pahamehana faharoa ny hananganana « ecole de procedure » Dingana tsy maintsy atao mialoha an’io  ny fandefasana mpianatra sy mpizatra asa any ivelany ao anatin ny fiarahamiasa amin’ny Chambre ny vaditany any italy. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fifandraisana sy firaisankina samy vaditany. Hampiasaina ny fitaovan-tserasera sy ny fomba rehetra hampifanakaiky kokoa ny vaditany manerana an’ny nosy. Taona mainty ho an’ny vaditany sy ny mpanao lavanty ny taona 2020 satria betsaka ny vaditany nampanatsoin’ny bianco sy niharan’ny tsindry.

Marihana fa 131 ny mpifidy sy ny  fanomezan-dalana ka telo ny vato maty sy tsy manankery tamin’ity fifidianana ity. Nifaninana  tamin’ity filoha vao lany ity ny Maître Rasamimaka Mahefalahy izay nahazo vato 46 na 35,94 isan-jato.

Ireto ny vaditany mandrafitra ny biraon’ny holafitra,

Syndicat Maitre RARIVOARIVONY Andriatafaniaina Haja Fitiavana (TOAMASINA)

Trésorière Maitre RANDRIAMBOLOLONA Delcy Sandra (Antanarivo)

Première Secrétaire RAVOLOLOMBOAHANGY Miora Prisca

2 ème Secrétaire Maître RAZANAKOTO Ny Ony Arilaza

DELEGE isaky ny faritra,

Antananarivo, Maître RAZAFINDRAHASY Jonah Olivia

Antsirabe, Maître ANDRIAMBOLOLONA Ralisiarilala

Mahajanga, Maitre RAKOTONJANAHARY Lalatiana Noël

 Fianarantsoa, Maître RAVAOENINTSOANIRINA Ezakasoa

Antsiranana, RAKOTOARIVELO Marcellus

Tuléar, Maître VAOSAOTSE Ratefinomenjanahary

Toamasina Maitre RAKOTONINDRINA Tovohery Adolphe

Lynda A.