MADA VISION: Manome tolotra manokana ny mpanjifa mandritra ny “grande braderie”

Fankalazana ny faha-20 taona. Raha hetsika ara-barotra dia efa manana traikefa amin’izany ny Mada Vision. Feno 20 taona ny hetsika “grande braderie de Madagascar” nokarakarainy. Ho fanamarihana izany dia manome tolotra manokana ho an’ny mpankafy sy mpanjifa ny entana amidy mandritra ity hetsika ara-barotra ity ry zareo mpikarakara mandritra ny dimy andro. Ny 18 ka hatramin’ny 22 desambra 2019 eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana ny grande braderie andiany manaraka. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, Ramanantsoa Harilala ho fanomanana ny fetin’ny noely sy fetin’ny faran’ny taona no antony nisafidianana ireo daty ireo. Toy ny mahazatra, “tsy maintsy manao fihenam-bidy, farafahakeliny 15 % amin’ny entana rehetra amidiny ny mpandray anjara”, hoy izy.
Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa dia lasa 1000 Ariary ny vidim-pidirana amin’ity indray mitoraka ity. Nambaran-dramatoa Ramanantsoa Harilala fa tsapa tamin’ ity taona 2019 ity fa manify dia manify ny enti-manan’ny tokantrano atokana ho an’ny fiantsenana. Anisany nampidinana ny saram-pidirana amin’ny hetsika izany fa eo ihany koa ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona. “Manentana fa ho tonga maro ny mpankafy sy mpitsidika ny grande braderie ao anatin’ny dimy andro fa hisy ny fihenam-bidy goavana amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro”, hoy hatrany izy. Marihina fa trano heva maherin’ny 200 no azo tsidihina mandritra ny hetsika atao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.
Lynda A.