MADA VISION: Hatramin’ny alahady 02 oktobra 2022 ny fihenambidy amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro

Manampy ny tokantrano hahita ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro iharan’ny fihenambidy sy amin’ny toerana iray no tanjon’ny mpikarakara ny Grande Braderie de Madagascar. Tontosaina nanomboka ny 29 septambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy ny 02 oktobra 2022 eny amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina ity hetsika ara-barotra karakarain’ny Mada Vision ity. Nambaran’ny tomponandraikitra ara-barotra, Andrianasolo Hery fa entana vaovao sy entana iharan’ny fihenambidy no amidin’ireo mpandray anjara. « Ireo mpitsidika mitady entana vaovao no hita tety amin’ny kianjan’i Barea ny andro voalohany », hoy izy. Mbola mitohy mandritra telo andro ny hetsika ka manentana ny mpitsidika ho avy fa manomboka amin’ny 15 % ny fihenambidy omen’ireo mpandray anjara miisa 80.  Hita mandritra ny Grande Braderie ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny sakafo, kojakoja ao an-tokantrano sy ao an-dakozia, akanjo, kiraro, vokatra natoraly, taozavatra… Nohamafisin’ny mpikarakara fa hanampy orinasa hihainoana  ireo mpanjifa ny vokatra mifanaraka filàn’izy ireo sy fahefaha-mividin’izy ireo ny hetsika tahaka izao.

Lynda A.