LOZA VOAJANAHARY: Miankina amin’ny fahazoana ireo antontan’isa feno ny fanapahan-kevitra ho raisina.

Nahazo fiofanana ireo mpikambana ao amin’ny “Centre Opérationnel”  na CO ao amin’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny faritra. “Ho fanamafisana ny traikefan’izy ireo manoloana ny fitadiavana loharanom-baovao ahazoana antontan’isa feno mandritra ny vanim-potoanan’ny loza voajanahary no anton’ity  fampiofanana ity”, hoy ny tomponandraikitry ny Care Interanational Madagascar, Fano ANDRIANARISOA. Matetika ny tsy fahampian’ny antontan’isa no olana iray mampitarazoka ny fandraisan’ireo tompondraikitra isan-tsokajiny  fanapahan-kevitra. Noho izany, novolavolaina sy nampianarina ireo fitaovana ahafahana mikirakira izany ireo mpikambana.

Manampy betsaka ny  sampandraharaha eny anivon’ny BNGRC, Ben’ny Tanana, ny lehiben’ny faritra…ireo antontan’isa  voaangona avoko ireo.

Tsy midika fa amin’ny vanim-potoana ny loza ihany ireo teknisiana no hiasa. Miandraikitra ny fikirakirana foana izy ireo na tsy amin’ny fotoanan’ny aza. Raha ho an’ny CUA manokana,  eny Anosipatrana no apetraka ny CO ary eny Tsimbazaza kosa ny an’ny faritra. Misy Teknisiana 15 avy miasa amin’ireo toerana roa ireo.