Lolo sy ny tariny

Tarika tsy izoviana amintsika intsony ny tarika Lolo sy ny tariny, na lehibe na kely, na antitra na tanora dia mankafy ny hiran’izy ireo. Lolo na Angelo RAKOTOMANGA no namorona sy andry iankinan’ny tarika.

Lalana nodiaviny. Vao 13 taona monja izy dia efa niditra tao amin’ny sehatry ny mozika. Miaraka amina tarika mampandihy (cabaret ) na concert » ireny. Tamin’ny taona 1975 tany no namorona ny hira voalohany izy ary ny taona 1981 no nivoaka ny raki-kira voalohany ary tsy nisy intsony taorian’izay.

« Mbola marefo ny rafitra miaro ny zon’ny mpamorona eto Madagasikara ka izany no antony tsy namokaranay raki-kira », hoy Lolo.

Ny hirany. Manana ny mampiavaka azy ny tonon-kiran’ny tarika. Miainga amin’ny zava-mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ny famoronan’ i Lolo. « Hanaitra sy hampita hafatra ho an’ ny fiarahamonina no tanjoko », hoy hatrany izy mba handray ny anjara tandrifiny ny tsirairay.


Gadona. Tsy voafetra ny gadona ataon’ny tarika fa Miankina amin’ny tononkira. Marihina fa efa 100 eo ho eo ny hirany noforoniny.

Sehatra. Araka ny voalaza etsy ambony, efa voavolavola tamin’ny fiakarana an-tsehatra i Lolo. « Na dia eo aza izany tsy maintsy misy foana ny tahotra », hoy izy, indrindra rehefa fampisehoana lehibe.Nambarany ihany koa fa ankoatran’ny fampisehoana natao teto an-toerana, efa niantsehatra tany ivelany ihany koa ny tarika.

Kanto. Naneho ny heviny, ihany koa, i Lolo momba ny atao hoe « kanto ». « Amiko ny antsoina hoe: kanto dia misy famoronana aloha voalohany indrindra, mitondra hafatra ho an’ny fiarahamonina ary maharitra ».

*Olona « perfectionniste sy exigent » i Lolo ary sarotiny eo amin’ny lafiny teknika sy ny feo, tia zavatra lavorary sy hentitra izy.

* Anisany hira tiany tamin’ny hira noforoniny ny  » tady vita fatomaty ».

Lynda A.