LOHOLONA BERTHIN: Ny fifanomezan-tanana no fanefitry ny fampandrosoana ny baolina kitra Malagasy.

Anisany nilomano tamin’ny sehatry ny baolina kitra ny Loholona Berthin RANDRIAMIHAINGO. Nambarany fa efa dingana maro no efa vitan’ny federasiona tamin’ny fanatsarana ny taranja baolina kitra Malagasy na dia nisedra fanakianana maro aza. Tsapany fa nisy ny lesoka kanefa ny fanarenana azy ihany no fomba hampandrosoana ity taranja ity. Nanamafy ihany koa izy fa ny  fifanomezan-tanana  no fomba iray ahafahana manarina ny baolina kitra Malagasy  izay nihen-danja.

Ankoatra izany,  fanantenana ho an’ny  baolina kitra Malagasy ny fahazoan’ny  Filohan’ny federasiona Baolina kitra Malagasy, Ahmad ny toeran’ny Filohan’ny CAF.  “Tombony ho an’ny taranja baolina kitra ny nandrombahany an’io toerana io. Mino aho fa tsy hanadino  ny federasiona  ity Filoha vaovao ity fa vao maika aza hikatsaka hatrany  ny  tombontsoan’ny mpilalao baolina Malagasy ho fampandrosoana ny taranja”, hoy  hatrany ny Loholona Berthin RANDRIAMIHAINGO.