LEADER FANILO: Ny antoko tarihin’i Jean Max RAKOTOMAMONJY ihany no izy.

Mihatra avy hatrany ny didim-pitsarana mampiato ny fampiasana ny anaran’ny antoko Leader FANILO. Tsy misy afa-tsy iray ihany  ity antoko ity  dia izay tarihin’i Jean Max RAKOTOMAMONJY. Noho izany, “ampiharana ny lalana ireo mbola miziriziry  manohitra ny birao Nasionaly”, hoy ny Filoha Lefitra miadidy ny  faritan’Antananarivo, Remi RAKOTOHARINIVO.

Nohamafisin’i Toto Alphonse, mpanorina ny antoko niaraka tamin’ny tompokolahy Herizo RAZAFIMAHALEO, ihany koa fa ara-dalana tanteraka ny birao Nasionalin’ny antoko Leader FANILO ary iray ihany.

Nitondra fanazavana  mahakasika ny disadisa ao amin’ny antoko ny birao Nasionaly androany, teny amin’ny foibeny, Antsahabe.