LA CHARITE DE MADAGASCAR – NAMAVATA HELP FRANCE : Misotro rano madio amin’izay ny mponina Ankeniheny sy Ambodimita

Vovon-drano 18 no vita tao amin’ny fokontany Ankeniheny sy Ambodimita, kaominina Antananarivo renivohitra sy tany amin’ny kaominina Mahitsy. Noho ny fiarahamiasan’ny La Charité de Madagascar sy ny Namavata Help France no nahafahana nanamboatra izany. Raha ny zava-misy ao Ankeniheny dia maro amin’ireo tokantrano no tsy misitraka rano fisotro madio satria rano eo an-tanimbary ihany no ampiasain’izy ireo, araka ny fanazavan’ny sefo fokontany. Anisan’ireo toerana lasibatry ny   tondran-drano anefa  ity fokontany ity isaky ny rivo-doza na oramikija. Vao maika maloto ny rano eny an-tanimbary ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ireo  olona mampiasa izany. « Misaotra betsaka ny fikambanana La Charité de Madagascar sy Namavata Help France izahay eto amin’ny fokontany fa afaka misotro rano madio noho ireto vovon-drano namboarina ireto», hoy ny lehiben’ny fokontany Ankeniheny.

Nambaran’ny filohan’ny La Charité de Madagascar, Zouber Asenjee fa tetikasa lehibe iarahan’ny fikambanana amin’ny Namavata Help France ny fanamboarana vonvon-drano eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. “Hitohy any amin’ny fokontany hafa izany fa fanombohana ihany no natao tao Ankeniheny, Ambodimita ary Mahitsy”, hoy izy. Nanomboka tamin’ny taona 2021 no niaraniasa ireto fikambanana  roa ireto. Araka ny fanazavan’i Zouber Asenjee fa mpiasa avokoa no mivondrona ao amin’ny Namavata Help ary ny latsakemboky ny mpikambana no hampiasaina hanaovana ny asa sosialy. Manao asa soa  manerana an’izao tontolo fa indrindra amin’ireo firenena afrikanina ny fikambanana. Ny taona 2021, nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo zaza sahirana tao Kenya ny fikambanana Namavata Help izay notarihin’ny filohany, Ramatoa Meriam Gara.

Lynda A.