KSMD: Tsy ekenay ny fanatanterahana ny « pacte de responsabilité ».

Eritreretin’ny sasany kajikajy politika hampiharana ny article 54 ny « pacte de responsabilité » ka tsy ekenay ny fanatanterahana izany, araka ny fanambarana nataon’ny antoko KSMD na Kandida Solombavambahoaka Miara-Dia eto Madagasikara. Nohamafisin’ny Filoha Nasionaly, Lafatra Abraham Rakotovololona, fa tsy mitondra fitoniana politika eto amin’ny firenena izany. Mangataka kosa ny hanatontosana ny « mémorandum » na ny fanaovan-tsonia eo amin’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka rehetra tsy ankanavaka izay voakasik’io « mémorandum » ny antoko KSMD mba hisian’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy sy mba hisian’ny fitoniana ara-politika eto amintsika.

Ankoatra izany, hanampy ireo traboina eto amin’ny Faritra Antananarivo nahazo takaitra vokatry ny rivo -doza farany teo ny fikambanana satria mbola misy ireo tsy tafarina sady hanohizana ny ezaka natao tany amin’ny faritra iva.

Naneho fisaorana ny vahoaka Malagasy ny antoko tamin’ny fiandrasana am-pitoniana ny voka-pifidianana Ben’ny Tanana farany teo. Nankasitraka ny fitondram-panjakana izay namela malalaka ny fitsarana misahana ny fifidianana hamoaka tsy an-tery ny valim-pifidianana ihany koa KSMD.

Lynda A.