KRIZY ARA-TSAKAFO: Tokantrano 10.000 hahazo tombontsoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly 9 aprily 2019  tamin’ny alalan’ny atrikasa ny fanombohana ny fandaharan’asa PRO-ACTING (Promotion des actions Proactives et innovantes en prévention des crises alimentaires dans le Grand Sud de Madagascar). Ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO) no misahana ity fandaharan’asa ity. Ny vondrona eraopeanina no mamatsy vola izany izay mitentina telo tapitrisa euros. Miara-misalahy amin’ny fanantanterahana ny PRO-ACTING ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Araka ny fanazavan’ny tompondraikitra eo anivon’ny FAO dia fandaharan’asa iadiana amin’ny krizy ara-tsakafo ny PRO-ACTING. Nosafidiana manokana ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana satria anisan’ireo faritra mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izay miteraka olana amin’ny  famokarana fa indrindra ny ara-tsakafo.

Mandritra ny roa taona ny faharetan’ny tetikasa, araka ny nambaran’ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien. Tokantrano 10.000 no hahazo tombontsoa amin’ity fandaharan’asa miompana amin’ny fanodinana ny vokatra ity. Nanamafy ny minisitra fa mifanaraka amin’ny velirano faha-sivy dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary efa  navadika ho programam-panjakana ny PRO-ACTING. Tetikasa maro no nitobaka tany amin’ny faritra Atsimo tao anatin’izao repoblika nifanesy fa maninona no tsy mbola voavaha ihany ny olan’ny kere any Atsimo ?

Lynda A.