KMF/CNOE: Nanao fanambarana mba ho fifidianana andraisan’ny rehetra anjara, marina ka hitondra fitoniana

Hiteraka resa-be ny fanavaozana ny ireo ratsamangaikan’ny CENI. Efa nanomboka ny 23 aogositra 2023 ny fisokafan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo olompirenena maniry sy mahafeno fepetra ho mpifaninana hiatrika ny fifidianana ho Filoham-pirenena. Mbola manao antso avo hatrany ny KMF/CNOE  mba hifampiresahan’ireo izay mitovy firehana, izany dia hikendrena ny fanatsarana ny kalitaon’ny safidin’ny olompirenena indrindra ireo any ambanivohitra lavitra any izay marihina fa maro an’isa amin’ny malagasy. Nambaran’i Namearson Robert, Filoha nasionaly ny fikambanana fa sahirana ireo mpifidy any ambanivohitra rehefa betsaka ny kandida.

Lisi-pifidianana

Manao antso avo  ihany koa ny fikambanana mba hilazan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny tetiandro hamoahany ny lisitra farany izay tsy ho kitihina intsony ka hiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena. Ny fanaraha-maso farany izay natao dia mbola nahafantarana fa nisy naoty navoaka avy ao amin’ny CENI Foibe naniraka ny rantsamangaikany eny anivon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana eny amin’ny distrika (CED) mba hangataka amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany (TPI) ny hamoaka didy, fantantsika amin’ilay fiteny hoe « ordonnance » mba hahafahany mampiditra ireo olona voaisa tamin’ny fotoana nanaovana izany fa tsy mbola tafiditra ao anatin’io lisitra io (OMIS) noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny « carnet » mirakitra ny fanoratana azy teny amin’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity. Narahina lisitra izany fanirahana izany ary naterina teny amin’ny TPI. Fanontaniana mipetraka dia ny hoe : « Lalàna inona no ahafahana manao izany ?» Satria mazava ny voalazan’ny lalana fehizoro mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevibahoaka mahakasika izany ao amin’ny andininy faha-21 hatramin’ny faha-27 izay mbola nohamafisin’ny didim-panjakana momba ny « refonte ». Mampiteraka ahiahy ny amin’ny fahamatoran’ny fikirakirana ity lisitra ity izany. Etsy ankilany dia fantatra fa mbola misy ihany ny fikitihana ity lisitra nolazaina fa nofaranana ity mba hamaliana ireo fanakianana sy fanatsarana notakian’ireo mpitsirika avy amin’ny OIF sy ny teratany Malagasy. Ny Filohan’ny CENI anefa nilaza fa tsy hisy fiovana ny totalin’isa izay navoakany tamin’ny famaranana farany. Mbola manjavozavo araka izany ity resaka lisitra ity koa manainga ny CENI hitondra fanazavana marina mahakasika izany, raha ny fanazavan’ny birao nasionaly ny KMF/CNOE, ny 24 aogositra 2023.

Fanovana ireo rantsamangaikan’ny CENI

Ny Fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia resy lahatra fa tsy mahasoa ny firenena ny fanesorana olona raha tsy misy antony manokana hita fa hanohintohina ny zotram-pifidianana. Hiteraka resa-be hanamaloka ny zotram-pifidianana io fanavaozana io raha misy fitsofohana mpanao politika fantatry ny rehetra ka hatolotry ny fikambanana izay mety tsy nandray anjara amin’ny zotram-pifidianana akory.

Tsy manala ny fahefan’ny CENI hanavao ny ratsamangaikany ny fikambanana fa kosa misintona lakolosy amin’ny mety fisian’ny tsindry politika ao ambadik’izany. Manentana hatrany ny olompirenena vanona rehetra ny fikambanana mba hanamafy ny fanaraha-masony sy fandraisany anjara mavitrika amin’ny zotra-pifidianana ka ho sahy hitoroka ireo zava-misy marina hita eny ifotony ka heveriny fa hanohitohina ny fanatontosana fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra sy hitondra fitoniana.

Lynda A.