KINTANA FOOTBALL ACADEMY: Hanome fiofanana maimaim-poana ho an’ireo ankizy mahay baolina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

Fanohanana ireo ankizy sahirana. Hidina eny amin’ireo boriborintany enina mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny teknisianan’ny Kintana Football Academy hijery ireo ankizy sahirana manan-talenta amin’ny baolina kitra. Ho fanatanterahana ny tetikasa “kitra iombonana” iarahan’ny Kintana Football Academy  miaraka amin’ny CUA izy ity. Ankizy 13 taona ka hatramin’ny 16 miisa 80 isaky ny boriborintany no hotsongaina. Ireo mpanentana aa-panatanjahantena eo anivon’ny kaominina  no hanao izany. Hiroso amin’ny fitsapam-pahaizana ireo ankizy ny teknisiana  avy amin’ny Kintana Football  Academy ny 3 sy 4 jolay 2021. Mandritra ny ora telo amin’ny alalan’ny lalao fanazaran-tena  no hisafidianana ireo ankizy  tena mahay baolina kitra. 20 amin’ireo 80 isaky ny boriborintany  dia hahazo fiofanana maimaim-poana mandritra ny herinandro avy amin’ny  Kintana Football.

Aorian’izany, ankizy dimy isaky ny boriborintany indray  no hotsongaina ary omena fiofanana maimaim-poana mandritra taona iray ireo ankizy 30 ireo.  “Ho fanomanana ny Barea amin’ny lalao iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra no tanjona. Mino izahay fa misy amin’ireo ankizy ireo amin’ny 2028 hitondra avo an’i Madagasikara. Hijery ireo ankizy tsy hitanay hatramin’izay ny tetikasa. Betsaka ireo ankizy mahay kanefa tsy afaka handoa écolage. Ankizy manan-talenta sy sahirana no mason-tsivana hisafidianana ireo mpisitraka ny tetikasa”, hoy Ramisamanana Lova, Filohan’ny Kintana Football Academy, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 18 jona 2021 teny Anosy.  Antom-pisian’izao fiarahamiasa amin’ny roa tonta izao ihany koa ny fampidirana ireo ankizy sahirana an-dakilasy. Hiantoka ny fampidirana azy ireo eny amin’ny sekolim-panjakana ny CUA. “Mangataka fiarahamiasa izahay amin’ny famatsiana fitaovam-pianarana ireo ankizy ireo”, hoy ny tale misahana ny fanatanjahantena eo anivon’ny kaominina, Rakoto Andriambalo Jalal Benjamin.

Lynda A.