KAOMININA SOAVINA ATSIMONDRANO: Nandray anjara tamin’ny fampifaliana ny mponina.

“Laoka sisa no tadiavina”. Amin’izao fetin’ny taom-baovao izao, nahatsiaro ny mponina ao Soavina ny kaominina. Olona tra-pahasembanana, beantitra, fianakaviana sahirana 200 nozaraina vary, “pâte nouille”, mofo dipaina, “biscuit”, savony sy ny maro hafa. Nambaran’ny Ben’ny Tanana an’ny kaominina Soavina, Distrika Atsimondrano, Rigobert RAKOTOARISOA fa fanampiana ireo olona tra-pahasahiranana ao amin’ny kaominina tantanany mba hianoka ao anatin’ny fety tahaka ny olon-drehetra no anton’izao fanomezana izao.

Teti-bola manokana

Ankoatra ny tolo-tanana avy amin’ireo orinasa tsy miankina,ny  teti-bola atokan’ny kaominina hanaovana asa sosialy foana ny kaominina no nahafahana nampifaly ny mponina.

Afaka 15 andro

17000 ny mponina ao Soavina. Roan-jato tamin’ireo no nisitraka izao fanomezana izao. Nampanantena anefa ny Ben’ny Tanana fa mbola hisy ny fiarahana misakafo ho fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018 afaka tapa-bolana na roa toko-bolana eo. Ho antsoina indray ireo mponina tsy tafiditra tao anatin’ny lisitra teo aloha.