KAOMININA IVATO: Misongadina ny tamberin’andraikitra

Miara-tokanana amin’ny volana septambra 2018 ireo foto-drafitr’asa notsidihan’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ao amin’ny kaominina Ivato. Mizotra araka ny tokony ny fanamboarana ny tsenan’Ivato. « Roapolo andro izay no nanombohana  ka 35 % ny asa no vita », hoy ny «chef de chantier », Mamy  Andrianomenjanahary. Nohamafisin’ny ben’ny tanàna, Penjy Randrianarisoa fa voatàna hatrany ny telo volana fanamboarana ny tsena. Ireo mpivarotra tamin’ny tsena taloha ihany no hivarotra amin’ity tetikasan’ny filohampirenana ity. Mitentina 2.200.000.000 Ariary ny famatsiam-bola azon’ny kaominina tany amin’ny fitondram-panjakana hanamboarana ny tsena.

Ankoatra izany nitsidika ireo foto-drafitr’asa an-dalam-pahavitàna toy tranom-pokonolona ao Mandrosoa sy Ankadindravola ary ny EPP Tanambao  ihany koa ny ben’ny tanàna ny 06 aogositra 2018. Tamin’io fotoana io ihany no nijereny ireo foto-drafitr’asa efa vita tanteraka. Volan’ny kaominina madiodio no nanamboarana ny lalana mirefy 1.500 metatra ao amin’ny kartie 7 (K7) sy ny EPP Tanambao. « Tsy maintsy asongadina amin’ny vahoaka ny tamberin’andraikitra », hoy ny ben’ny tanàna. Miverina amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny foto-drafitr’asa ny hetra naloany. Vola avy amin’ny FDL (Fond de Développement Local) kosa no nanaovana ny lalana vita amin’ny « beton » mirefy 420 metatra ao amin’ny fokontany Ampandroana, kartie 4 (K4).

Lynda A.