KAOMININA IVATO: Lalana 20 km vita “beton”.

Mitohy amin’ny fanamboarana ireo lalan-kely ny kaominina Ivato raha lalana 20 km no efa vita ankehitriny. Tao anatin’ny tetikasan’ny kaominina ihany koa tamin’ity taona 2017 ity ny fanamboarana foto-drafitr’asa toy ny efitranon-tsekolim-panjakana  (EPP) , ny  toeram-pitsaboana (CSBII). Na dia  voafidy tamin’ny alalan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) aza ny Ben’ny Tanana,  Penjy RANDRIANARISOA,  hiroso amin’ny fanamboarana ny tsena ao Ivato ny kaominina noho ny fiarahamiasan’ny amin’ny fitondram-panjakana.

Nanatanteraka fitsangatsanganana faran’ny taona ny mpikambana ao amin’ny antoko TIM Ivato ny sabotsy 16 desambra 2017. Tonga nanatrika izany ny Filoha Nasionalin’ny antoko, Marc RAVALOMANANA. Nananatra ny  mpomba azy ny tenany nandritra ny lahateniny fa mila miverina  manaraka ny fitsipika mifehy ny antoko ny mpikambana tsirairay.

Nifarana tamin’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana ny lanonana.