KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Tokony hitsirika ny fitantanam-bola ny IGE.

 

 

Hatramin’izao, mbola tsy nanao tatitra teo anatrehan’ny filan-kevitry ny kaominina ny Ben’ny Tanana Lalao RAVALOMANANA. Didin’ny lalana mifehy ny tanana an’Antananarivo Renivohitra, laharana 2014-020, andininy faha-80 anefa ny tenany hanao tatitra ny tetibola nandritra ny taona. « Ny fandaniana ny tetibola 2017 no efa narosony  sahady  kanefa na ny fidiram-bola tamin’ny  2016 aza mbola tsy vita tatitra”, hoy Lalatiana RAVOLOLOMANANA.

Vola mitentina 47 miliara Ariary no tokony ampiasain’ny kaominina amin’ity taona ity. Voalaza fa handoavana ny karaman’ny mpiasa  sy hividianana fitaovana  ny 40 miliara Ariary amin’izany. Mbola tsy voafaritra mazava ny 7 miliara ambiny. “Tsy misy tokontaniny  ny fampandrosoana tanana sy ny fanampiana  ireo fokontany  192”. Izany no nahatonga an’ireto mpanolontsaina toy i Lalatiana RAVOLOLOMANANA, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Veronique RAJERISON tsy nandany ny teti-bola 2017.

Nambaran’izy telo mirahavavy fa tokony hanao fanadihadiana momban’ny fitantanam-bolan’ny CUA ny Inspection Générale de l’État (IGE). Tsikaritr’izy ireo fa  misy fanararaotana tsiroa aman-tany ataon’ireo mahazo avara-patana. “Vao tsy ela akory izay fa nangalana 200.000 Ariary avokoa ireo nangataka fahazoan-dalana hanorina trano”. Miisa 3000 teo izy ireo. Aiza avokoa ary izany  amin’izao kanefa raha ny tokony ho izy tsy izany velively ny vola aloa rehefa haka permis de construire?