KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA: Fandaminana ny tontolom-piarahamonina ny fametrahana ireo vatobe.

Ho fanalalahana ny lalana ampiasain’ny mpandeha tongotra sy ny mpitondra fiara no antony nametrahana ireo vatobe eny anelanelan’ny arabe vitsivitsy, manodidina ny kaominina an’Antananarivo renivohitra. Nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina, Sarah Zoe fa ho fisorohana ireo mpivarotra  tsy ara-dalana tsy hamelatra ny entany eny amoron’ny arabe no dikan’io paik’ady io.

Noho izany, ankoatra ny famindrana ireo mpivarotra  ireo amin’ny toerana voatokana dia anisany fomba ahafahana manatsara ny fifamoivoizana ny fametrahana ireo vato ireo. Amin’izay fotoana izay, malalaka tsara ny lalana ary mizotra araka ny tokony ho izy ny fifamezivezena.

Ho fanampiana ireo mpivarotra amoron-dalana hatrany, hisy ny efitrano 200 isa ho atokana ho azy ireo, eo amin’ny Esplanade Analakely.