KAOMININA AMPITATAFIKA : Nahazo foto-drafitr’asa tena ilainy ny vahoaka

Tetikasa amam-polony no nifaninana.  Kaominina Ampitatafika sy Fenoarivo Alakamisy no nisitraka ny  tetikasa FIAM (Fivoarana Ifotony Ao anaty Mangarahara ). Fito ny ireo tetikasa natsangan’ny FIAM tamin’ireo kaominina roa ireo izay notokanana ny 23 Oktobra 2020. Tohana mitentina 450.000 euros avy amin’ny vondrona eraopeanina no nahavitana ireo foto-drafitr’asa ireo. Raha ho an’ny kaominina Ampitatafika dia teo ny fananganana ny tsena izay mahatafiditra mpivarotra 250, ahitana efitrano fivarotana 10 sy tranoheva lehibe 02, ary lalana vita rarivato mirefy 1,400 kilometra ao Andohony, Antanety.  « Mangarahara ary nakana ny hevitry ny mpivarotra ny fananganana ny tsena. Nomena sehatra izy ireo hiteny ny hetahetany. Natao mangarahara ihany koa ny fitantanana. Tratra noho izany ny tanjona ho fanasoavana ny vahoaka.  Nahazo tombotsoa ny mpivarotra, nahazo tombotsoa ny vahoaka, misy filaminana kokoa ny tanana, mitombo ny kitapom-bolan’ny kaominina », Hoy ny ben’ny tananan’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina.

Nankasitraka ny vondrona eraopeanina

Mahafinaritra anay ny mahita foto-drafitr’asa vita soamatsara sy voara-maso iharahana amin’ny mponina, hoy i Giovanni DI GIROLAMO , masoivohon’ny vondrona eraopeanina eo Madagasikara . Raha ny fahitany azy dia tena mamaly ny filan’ny mponina izao zava-bita izao satria niarahana nidinika tamin’ireo nisitraka izany ny famolavolana azy. Azo heverina ny mampihatra ity andrana ity amin’ny teran-kafa satria nahitana vokatra tsara, hoy izy.

Marihana fa nisy ny fifaninanana natao tamin’ny fahazoana ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa ireo. Nisy fifanatonana teo amin’ny Msis Tatao sy kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo  ka nanolotra tetikasa iray. Tetikasa amam-polony no nifaninana tamin’izany. Ny fiarahamiasa matotra no nahatonga ireo voafidy , hoy i Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny Msis Tatao. Nambarany fa tanjon’ny tetikasa FIAM ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitr’asa hamaliana ny filàna ara-ekonomika, ohatra ny fanamboarana ny tsena sy ny manodidina ny tsena na ihany koa fanokafana lalana ahafahan’ny olona mivezivezy mamoaka ny vokatra.

Nirina R.