KAOMININA AMPITATAFIKA: Hiara-hiasa amin’ny polisin’ny fanajariana ny tany

Anjara andraikitry ny kaominina ny mampilaza ny ministera misahana ny fanajariana ny tany sy ny fananantany raha sendra misy asa fanorenana kanefa tsy nahazoana alalana ara-dalàna na fanotorana tany izay mandika ny drafi-panajariana ny tany. Ny 11 jona 2018 teo ireo polisy misahana ny fanajariana ny tany miisa 87 no nanao fianianana. Hanara-maso ny fandikan-dalàna momba ny fanajariana ny tany toy ny fanotorana tany tsy ara-dalana, fahazoan-dalana manorina trano kanefa tsy manaraka ny lalàna eto Antananarivo renivohitra sy amin’ireo kaominina manodidina 38 izy ireo. Manana fahefana feno ara-pitsarana ireto polisy misahana ny fanajariana ny tany ireto. Mety hiafara amin’ny fanasaziana na fandoavana onitra raha voamarina fa nandika ny drafi-panajariana ny tany tompon-tany, tompona orinasa sy ireo niray tetika taminy.

 Nirongatra ny fanotorana tany tao anatin’ity krizy ity. Ny lalàm-pifidianana lany teny anivon’ny Antenimierampirenena no niatombohan’izany. Vao tsy ela akory fa tamin’ny herinandro lasa teo, nisy kamio maromaro nivezivezy nitatitra tany ho eto Antananarivo renivohitra. Nandalo ny lalàna eny amin’ny  kaominina Ampitatafika ireto fiara vaventy ireto. Nambaran’ny ben’ny tanàna an’Ampitatafika, Rado Ramparaoelina fa tokony misy ny fampahafantarana eo anivon’ny  kaominina amin’ny fivezivezena tahaka io tranga io mba mba ahafahana milaza ny ambaratongam-pahefana ambony amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezena.  Raha nivezivezy nanara-maso ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny ben’ny tanàna sy ny ekipany omaly tamin’ny iray ora sy sasany maraina dia nahatsikaritra fa tsy nandalondalo tany Ampitatfika intsony ireo kamio nitatitra tany.