Kandida TIM laharana faha-03: Nirodorodo ny vahoakan’ Ampitatafika

Nitorajofo  ny  kianja tao Tangaina Ampitatafika androany  tamin’ny famaranana ny fampielazan-kevitra nataon’ ny kandida TIM, Rado Ramparaoelina , laharana faha-03. Ny tarika Lola sy ny mpandihiny no nanafana ny lanonana.  Nandritra ny fampielezan-kevitra, nisy ny tsy fanarahan-dalana nataon’ny kandida sasany, toy ny fametahana afisy eny amin’ny foto-drafitr’ asam-panjakana,… hoy Rado Ramparaoelina.

Mbola namerina fanazavana mahakasika ny fanaratsiana ataon’ny mpifanina hafa aminy  fa nivarotra tanim-panjakana tamina mpandraharaha izy nandritra io faradoboka io. Nozaraina tamin’ireo nanatrika izany mihitsy aza ny taratasy manamarina fa tsy nanao an’izany izy. Fitiavana te hanaratsy azy izao ary misy tanjona fa amin’ny taona 2016 dia hiverina ho toerana fanariam-pako indray ny kaominina Ampitatafika ka tsy manaiky izany izy.

Laharam-pamehana amin’ity kandida TIM ity ny famerenana ny zaza rehetra ao amin’ny kaominina an-tsekoly, ny fanamboarana ny lalana. Ankoatra izany, efa nifanaraka tamin’ny JIRAMA ny tenany fa ho asiana toerana fandoavan-jiro ao amin’ny biraon’ny kaominina. Nambarany ihany koa isan-taona dia hisy ny fizahana fahasalamana  maimaim-poana, toy ny maso, sofina, nify, diabeta,…izay iaraha- miasa amin’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana. Farany, ezahina asiana rihana ny tsena ao amin’ny kaominina mba hitombo ny mivarotra sy hanana foto-pivelomanana ny mponina.

Manainga ny vahoakan’Ampiatatafika àry rado Ramparaoelina, kandida TIM, laharana fah-03 hifidy azy fa vonona hanohy ny fampandrosoana efa vitany izy.

Lynda A.