Kandida Ny Antsika: Misy manaparitaka afisy mitondra ny anarany amin’ny antoko TIM.

Manentana ny vahoaka hanefa ny adidiny  amin’ny 31 jolay  i Dr Rado, kandida Ny Antsika eny amin’ny kaominina Talatamaty, laharana 01. Kandida efa nitantana ny kaominina teo aloha izy izao nilatsaka ho fidiana izao indray. Maro ny fanamby tontosa fa misy ny tokony ho tohizana. Laharam-pamehana  amin’ny fandaharan’asany ny  sosialim-bahoaka, toy ny lalana, sekoly, tsena,… Nitaraina koa izy fa misy ireo olona mametaka afisy misy ny sariny amin’ ny anaran’ ny antoko TIM ka manamafy izy fa sandoka ireny satria kandidà ny vahoaka, Ny Antsika.

Lynda A.