KANDIDA MAILHOL : Hiala rehefa tsy tanteraka ny fampanantenana

Tsy mitombina amin’ny toerana iray intsony ny kandidà Mailhol laharana faha-34. Nitsidika sy nihaona ny vahoakan’Antsirabe izy sy ny mpiara-miasa aminy ny Alahady 23 Septambra 2018 lasa teo. « Rehefa tonga eo amin’ny fitondrana aho, ny orinasa gasy indray no hampandrosoana, ao anatin’izany ny asa-tanana malagasy », hoy ity kandidà ity nandray fitenenana teo anoloan’ny vahoaka maro. Nampitandrina ireo vahiny maka ny tanin’ny Malagasy an-keriny ireo ihany koa izy fa tsy maintsy averina amin’ny Malagasy izany. Mahatsiaro ihany koa izy fa mampalahelo ireo mpampianatra. Noho izany rehefa tonga ny fotoana fisotroandronon’izy ireo dia omena trano izy ireo. Iaraha-mahalala fa kely ny karaman’ny filohan’ny fokontany ireo ka omena fisotroandronono izy ireo rehefa tonga eo amin’izany fitondrana ny firenena malagasy izy. Namporisika ny vahoaka izy hanongana azy raha tsy tanterany fampanantenana nataony sy tsy mahavaha olana. Tsy hiandry izany anefa izy fa hiala avy hatrany.

Nirina R.