JOBILY FAHA-50 TAONA NY FJKM : Kendrena hiantraika amin’ny fiainam-pirenena

« Andraikitry ny fiangonana ny mitaiza ny olona hiaina amin’ny fahamarinana ». Rehefa tsy mijoro amin’ny fahamarinana ny olona iray, tsy misy ny fampandrosoana. Ho an’ny fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsara ny hamolavolana ny olona handala ny fahamarinana. «Fanirian’ny fiangonana ny tsy hisian’ny zanaky ny FJKM hangorona sy hivarotra tanindrazana ». Tanjon’ny komity mpikarakara ny fankalazana ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nahatongavan’ny « London Missionary Society » (LMS) teto Madagasikara ny hamerenana ny tany amin’ny tompony tahaka ny natao nandritra ny fankalazana ny jobily ao anatin’ny baiboly. Nilaza ny komity fa ankoatra ny andro firavoravoana, fotoana hamerenana izay rehetra nalaina ny jobily. Fotoana famotsorana trosa na heloka ihany koa.

Tsangambato

Ny volana aogositra 2018 ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taonan’ny LMS. Any Toamasina ny hanamarihana izany. Ny vola oktobra kosa ny famaranana. Hetsika isan-karazany no handravahana ny fankalazana toy ny fifaninana ara-panatanjahantena, fifaninanana an-kira, varotra fampirantiana…Trano fanofanana mpitandrina miorina eny Ivato sy fanamboarana sekoly any Toamasina kosa ny tsangambaton’ny jobily. « Ezahina ho vitaina amin’ny famaranana ny fankalazana izany », hoy ny komity mpikarakara.