JMJ MADA X : 80 % ireo mpivahiny no efa tonga raha ho an’ny centre d’accueil Sacré Cœur Tsaravavaka

Mbola mitohy ny marainan’ny  31 aogositra 2022 ny fandraisana ireo mpivahiny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy handray anjara amin’ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny tanora eto Madagasikara (JMJ MADA). Tanora maherin’ny 30.000 avy amin’ny diosezy manerana ny faritra 23 no andrasana ho avy eto Antsirabe. Vinavinaina ho fiara miisa 1200 no hitatitra azy ireo, araka tarehimarika nomen’ny tomponandraikitry ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT).  “Azo lazaina fa efa milamina ny fanomanana” ho an’ny toeram-pandraisana mpivahiny (site d’accueil) ao amin’ny Sacré Cœur Tsaravavaka, araka ny fanazavan’ i Masera Agnes, tomponandraikitra ao an-toerana.  “Efa vonona ny trano sy ny mpahandro sakafo”, hoy izy. Mandray mpivahiny miisa 700 ity “centre d’accueil” ity. Tanora avy amin’ny diosezy maro toy an’i Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antananarivo ary Antsirabe izy ireo.

Raha ny tarehimarika nomen’i Masera Agnes ny 30 aogositra 2022 tamin’ny 8 ora alina dia efa tonga ao an-toerana ny 80 %n’ireo mpivahiny ireo. Ny avy any Fianarantsoa sy Toliara sisa no andrasana.

 Santionany amin’ireo mpivahiny mitoby ao amin’ny Sacré Coeur Tsaravavaka avy amin’ny Diosezy Toamasina ohatra  ny solontenan’ny fikambanan’ny tanora TAPIKRI avy amin’ny Eglizy Saint André  Kim. Sivy izy ireo no niainga avy Toamasina ny alatsinainy 20 aogositra 2022 tamin’ny 4 ora hariva. Nigadona tao Antsirabe izy ireo ny 30 aogositra 2022 tamin’ny 1 ora tolakandro. “ Ny hanovàna ny fiainako amin’ny maha tanora  ahy amin’ny lafiny ara-panahy no antony handehanako aty amin’ny JMJ”, hoy i Mendrika, solontenan’izy ireo. Tsara ho fantatra fa 16 ny toeram-pandraisana ireo mpivahiny. Diabe miainga any amin’ireo toeram-pandraisana tsirairay mankany Mandaniresaka no hanokafana ny JMJ MADA 2022 ny harivan’ny 31aogositra 2022.

Lynda A.