JMJ MADA 10: Tranobe iombonana i Madagasikara kanefa “mahery setra loatra amin’ny zavaboahary isika”

“Tranobe iombonana izao tontolo izao ary fianakaviana iray isika”, araka ny hafatr’i Papa Fransoa ao amin’ny “Laudato Si”.  Nambaran’i Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, nitarika ny sorona masina fanirahana JMJ MADA andiany faha-10 tao Antsirabe  fa “tranobe iombonana i Madagasikara ary fianakaviambe iray isika. Zava-misy anefa  hoy izy dia miha ritra ny rano, ripaka ny ala, feno setroka ny lanitr’iMadagasikara, marobe ireo matin’ny kere. “Vokatrin’ny ataon’ny olombelona ihany izany”, hoy hatrany izy.  Nilaza i Mgr Raharilamboniaina  fa “mahery setra loatra amin’ny zavaboahary isika. Lasa mifamono isika sy ny zavaboahary”.  Miantso ny tanora, ny vahoaka Malagasy ny tenany handray anjara amin’ny tranobe iombonana. “Aza miandry handrakotra ala an’i Madagasikara fa atombohy any amin’ny toerana misy ny tsirairay izany”, hoy izy. Nohamafisiny fa ho rava ny tranobe iombonana raha tsy Andriamanitra no voalohany. Marihina fa notanterahina teo Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin’ny 04 septambra ny JMJ MADA 10. Teny Mandaniresaka ny lamesa fanofakana ary teny Antsatanteraka ny famaranana. Fantatra tamin’izany fa any Portugal ny JMJ manerantany  atao amin’ny 2023. Any Toamasina  kosa no hankalazaina ny JMJ MADA andiany faha-11 izay atao amin’ny taona 2026.

Lynda A.