JMJ MADA 10: Afaka manova ny tantara eo amin’ny firenena ny tanora raha mandray andraikitra

Katesizy, fifanankalozana ara-kolontsaina, fanentanana ara-tontolo iainana, lalao isan-karazany ary lalan’ny hazo fijaliana no nameno ny fandaharam-potoanan’ny andro faharoa sy ny fahatelon’ny JMJ MADA andiany faha-10 taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy.  Anisany hafatra nampitaina tamin’ireo tanora nandritra ny katesizy isaky ny toeram-pandraisana mpivahiny ny  fandraisana andraikitra. “Miantso ny tanora ho sahisahy, ho tia karokaroka, tsy ho Kristianina  am-bavany na mampiasa ny maha Krisitianina ho entina ahazoana tombontsoa  fa hijoro ho tena Kristianina miaina amin’ny fiainana evanjely”, i Mon Seigneur  Randrianantenaina Gabriel, Evekan’i Tsiroanomandidy, nandritra ny katesizy nataony tao amin’ny  centre d’accueil Providence ny alakamisy 01 septambra 2022. Araka ny hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny tanora manao fivahinianana masina eto Antsirabe dia afaka hanova ny tantara eo amin’ny fiarahamonina, ny firenena ny tanora raha mandray andraikitra. Anisan’izany ny fiarovana ny “tranobe iombonana” (planeta tany) amin’ny alalan’ny fikajiana ny tontolo iainana.

Tovovavy avy any amin’ny Diosezin’i Antsiranana  Razanaliza Mikaelly. “Sehatra mampitombo sady ahafahana mijoro amin’ny finoana ny JMJ.  “Afaka manova ny fiarahamonina ny tanora raha mijoro amin’ny finoana, ohatra tsy manao kolikoly, mijery ny hafa”, hoy Razanaliza Mikaelly nanazava ny antony namonjeny ny JMJ. Nambarany ihany koa fa manana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tanora. “Miantso antsika tanora rehetra manerana lafivalon’ny Nosy aho mba hanentana ny manodidina antsika  hamboly hazo mba hampisy ho avy mamiratra ho an’ny zanatsika aoriana”. Araka ny fitantaran’i Rafelison Jean Herman, mpivahiny avy any Antsiranana dia taraiky ny orana any amin’ny faritra misy azy noho ny fikorontanan’ny toetrandro.  “Raha volana desambra no mamboly vary dia lasa mihemotra janoary na febroary izany ka miteraka fahasahiranana”, hoy izy sady nilaza fa efa mandray anjara amin’ny diosezy maitso , hetsika fambolen-kazo atao isaky ny diosezy. Araka ny fanehoan-keviny hatrany dia afaka manova ny tantara eto Madagasikara ny tanora satria izy ireo no maro an’isa.

Lynda A.

Horonan-tsary: