JEUNES VOLONTAIRES MADAGASCAR: Manohana ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny mpianatra.

Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana Jeunes Volontaires Madagascar, ankizy 110   avy ao amin’ny EPP Mahavelona, Sainte Marie no  nahazo fitaovam-pianarana toy ny cahier, stylo, crayon, gomme.  “Nomena tombony manokana ireo mpianatra vao afaka fanadinana CEPE farany teo ho fankasitrahana ny ezaka nataon’izy ireo”, hoy ny Filohan’ny fikambanana, Alexandre RAKOTOSON.

Ankoatra izany, namangy ny trano fitaizana zaza kamboty “orphelinat saint joseph de cluny” ao Ambodifotatra  ny Jeunes Volontaires. Tsy nandalo fotsiny ity farany fa nitondra izay zaka ho fanampiana ny akany. Tao anatin’izany  indrindra no nanolorana fitafiana, kiraro sy fitaovana maro samihafa hanohanana ireo zaza kamboty miisa 47 tazain-dry masera.

Nambaran’ny Filoha mpitarika ny fikambanana fa santatra ambavarano ihany ny fitsidihana  natao tany tamin’ny faritra Analajirofo fa mbola hitohy ny fanohanana ny mpiara-belona fa indrindra ny fanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanamaivanana  ny hoenti-manana amin’ny fampidirana mpianatra.

Marihina ny zoma 25 aogositra 2017 no nanaovana ireo hetsika ara-tsosialy ireo.