JENERALY BÉNI XAVIER RASOLOFONIRINA: Tsy handatsa-drà ny mpiray tanindrazana aminy

“Ny fanabeazana azoko, ny fiofanana azoko, ny fitaizana azoko dia maniraka ahy hanara-dalàna sy hanaja  ny lalam-panorenana misy eto amintsika, didy aman-dalàna misy ”, hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena, jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina. Nisy ny fifanoheran-kevitra nanoloana ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Teo ny  fandraràna ny  K25 tsy ho ao amin’ny Parvis Analakely ka voadidina mpitandro filaminana ny toerana hanaovana ny fihetsiketsehana. Baiko avy amin’ny préfet an’Antananarivo Renivohitra  no nahatonga izany. Nanome alalana ireo mpanao  fihetsiketsehana hiditra ao amin’ny Parvis  indray ny ministry ny fiarovam-pirenena. Afaka naneho ny heviny teo amin’ny Parvis izy ireo. Ny ampitson’iny, tsy tafiditra teo amin’ny 13 mey indray ry K25 ka nihainohaino nanodidina ny Parvis. Nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso indray ny mpitandro filaminana nanaparitaka azy ireo. Nanamafy ny  jeneraly Béni Xavier nandritra lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona teny Iavoloha, ny 7 janoary 219 lasa teo fa tsy handatsa-drà ny mpiray tanindrazana aminy satria tsy izany no nanaovany velirano ary nijoroany tamin’ny tarigetrany nandritra izay efa-polo taona izay.

Lalàna

 Niresaka ny haino aman-jery sasany fa “namadika” ny ministry ny fiarovam-pirenana. Namaly izany ny tenany fa tamin’ny alalan’ny didim-panjakana laharana 84-056 izay nasiam-panovàna tamin’ny alalan’ny didim-panjakana 2017-1138 mamaritra sy mitondra ny fanovàna ny “organe mixte de conception” (OMC) no nandraisany fanapahan-kevitra. Nambarany fa  lalan-kevitra sy lalan-tsaina tao anatin’ny fanajàna ny rafitra an-tanan-tohatra no noraisiny. Nilaza ihany koa izy fa baiko nomen’ny praiministra lehiben’ny governemanta ny mpitandro filaminana ny fisorohana ny korontana (posture de prevention de dissuasion et d’interposition). Nohamafisiny fa hiaro ny mpiray tanindrazana sy ny fananany ny tenany araka ny lalàna sy fitsipika mifehy ny mpitandro filaminana.

Lynda A.