JAMES RATSIMA: “Fahaleovantena sandoka io hankalazaina foana io”.

“Mbola voazanaka i Madagasikara fa fahaleovan-tena sarintsariny fotsiny no nomena antsika”. Manamarina izany ny Fikambanana “Asandrato ny Fireneko” fa mbola ny Frantsay no manana fahefana eto. “Niova amin’ny endrika hafa fotsiny izany fanjanahana izany”,hoy Profesora James RATSIMA, Filoha Mpitarika ny Fikambanana. Nambarany fa nody nomena fahaleovantena sandoka tamin’ny alalan’ny sainam-pirenena, hiram-pirenena, filoham-pirenena ary ireo rafitra samihafa i Madagasikara kanefa ny vahiny ihany no mibaiko sy nandidy ary mbola mandidy eo amin’ny lafiny rehetra. Porofon’izany ny fibodoana ireo Nosy Malagasy izay takian’ny Fikambanana hatramin’izao. Etsy ankilany, natao ho herim-pamoretana fotsiny ny miaramila. Noho izany, mbola voazanakin’ny Frantsay isika, tsy firenena mahaleon-tena izany ka tsy misy tokony hankalazana izany fetin’ny fahaleovantena izany.

Tokony ovaina mihitsy aloha ny rafitra napetraka teto ary soloina tanteraka ny lalam-panorenana. Tsy manana izany fahaleovantena izany isika raha tsy manangana rafi-pitantanana madio, mifandraika amin’ny kolontsaina sy ny maha izay ny Malagasy, ka ho vato fototra hiaro sy handrindra ireo rehetra ireo”.

Ankoatra izany, avereno amin’ny Malagasy ireo fananany rehetra toy ny Nosy Malagasy, orinasam-panjakana nomena ny vahiny, tany namidy antsokosoko…