IST: Miroso amin’ny paika ady ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

Ifantohan’ny  IST na Institut Supérieur de Technologie bebe kokoa ny fanampiana ireo  mpianatra  nahazo diplaoma hiditra ao anatin’ny tontolon’ny asa. Anisany tanjona ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ny fanarahana maso  ny fampiharan’ireo mpianatra  nahavita fianarana ny fahaizana nampitaina tamin’izy ireo.Nambaran’ny Tale jeneralin’ny IST Antananarivo,  Jean Lalaina RAKOTOMALALA, nandritra ny andro natokana ho an’ny fikarohana fa ho fanamafisana ny fahaizan’ireo mpianatra  mba hitondra voka-tsoa ho azy ireo  sy ny orinasa hiasan’izy ireo ary  hitondra fampandrosoana   ho an’ny firenena no tena katsahin’ny  ivon-toeram-pampianarana IST. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

Ho fanamorana ny fanatanterahana ireo paika ady ireo indrindra no nanaovana ny andro ho an’ny fikarohana, andiany faharoa, nokarakarain’ny IST. Nisy ny fihaonana  mivantana tamin’ireo mpiara-miombona antoka ka nifanakalo hevitra tamin’ireo mpampianatra eo anivon’ny IST izy ireo.